Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 18
I Ki Mg1865 18:1  Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
I Ki Mg1865 18:2  Dia niainga Elia hiseho amin’ i Ahaba. Ary mafy ny mosary tany Samaria.
I Ki Mg1865 18:3  Ary Ahaba niantso an’ i Obadia, izay lehiben’ ny tao an-dapany (Obadia dia natahotra an’ i Jehovah tokoa,
I Ki Mg1865 18:4  ka nony naringan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia nalain’ i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
I Ki Mg1865 18:5  Ary hoy Ahaba tamin’ i Obadia: Andeha mitety ny tany, dia hatrany amin’ ny loharano rehetra sy hatrany amin’ ny lohasahan-driaka rehetra; fa angamba hahita ahitra hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy hovonointsika ny biby fiompintsika.
I Ki Mg1865 18:6  Dia nizara lalana izy, ka Ahaba nandeha tamin’ ny lalana iray, ary Obadia kosa nandeha tamin’ ny lalana iray.
I Ki Mg1865 18:7  Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
I Ki Mg1865 18:8  Ary izy namaly azy hoe: Eny, izaho ity, andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
I Ki Mg1865 18:9  Fa hoy Obadia: Inona no heloko, no anoloranao ny mpanomponao ho eo an-tànan’ i Ahaba hamonoany ahy?
I Ki Mg1865 18:10  Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
I Ki Mg1865 18:11  Ary ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia.
I Ki Mg1865 18:12  Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
I Ki Mg1865 18:13  Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
I Ki Mg1865 18:14  Nefa ankehitriny hoy ianao: Andeha, lazao amin’ ny tomponao hoe: Injao, atsy Elia; dia hamono ahy Ahaba.
I Ki Mg1865 18:15  Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
I Ki Mg1865 18:16  Dia lasa Obadia nitsena an’ i Ahaba ka nilaza taminy; ary Ahaba nandeha hitsena an’ i Elia.
I Ki Mg1865 18:17  Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
I Ki Mg1865 18:18  Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
I Ki Mg1865 18:19  Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin’ i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin’ ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin’ ny latabatr’ i Jezebela.
I Ki Mg1865 18:20  Dia naniraka tany amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ahaba ka namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
I Ki Mg1865 18:21  Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
I Ki Mg1865 18:22  Dia hoy Elia tamin’ ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ ny mpaminanin’ i Jehovah; fa ny mpaminanin’ i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy.
I Ki Mg1865 18:23  Koa aoka ireo no hanome vantotr’ ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
I Ki Mg1865 18:24  Ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’ i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.
I Ki Mg1865 18:25  Ary hoy Elia tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala: Mifidiana vantotr’ ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
I Ki Mg1865 18:26  Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
I Ki Mg1865 18:27  Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina.
I Ki Mg1865 18:28  Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ ny sabatra sy ny lefona mandra-pahaloa-drà tamin’ ny tenany.
I Ki Mg1865 18:29  Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
I Ki Mg1865 18:30  Ary hoy Elia tamin’ ny olona rehetra: Manatona ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’ i Jehovah izay efa rava
I Ki Mg1865 18:31  ka naka vato roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ ny zanak’ i Jakoba, izay nihavian’ ilay tenin’ i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;
I Ki Mg1865 18:32  ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ ny anaran’ i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ ny famarana.
I Ki Mg1865 18:33  Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ ny kitay hazo,
I Ki Mg1865 18:34  dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
I Ki Mg1865 18:35  Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
I Ki Mg1865 18:36  Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
I Ki Mg1865 18:37  Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.
I Ki Mg1865 18:38  Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
I Ki Mg1865 18:39  Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
I Ki Mg1865 18:40  Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin’ i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin’ ny olona izy; ary nentin’ i Elia ho eo amin’ ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
I Ki Mg1865 18:41  Ary hoy Elia tamin’ i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.
I Ki Mg1865 18:42  Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon’ i Karmela, dia niankohoka tamin’ ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan’ ny lohaliny
I Ki Mg1865 18:43  Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
I Ki Mg1865 18:44  Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan’ olona miakatra avy eny amin’ ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin’ i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan’ ny ranonorana ianao.
I Ki Mg1865 18:45  Ary vetivety dia maintin’ ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin’ ny kalesy ka nankany Jezirela.
I Ki Mg1865 18:46  Ary ny tànan’ i Jehovah dia tao amin’ i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.