I KINGS
Chapter 13
I Ki | Mg1865 | 13:1 | Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama. | |
I Ki | Mg1865 | 13:2 | Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao. | |
I Ki | Mg1865 | 13:3 | Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain’ i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny. | |
I Ki | Mg1865 | 13:4 | Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. | |
I Ki | Mg1865 | 13:5 | Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah. | |
I Ki | Mg1865 | 13:6 | Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo. | |
I Ki | Mg1865 | 13:7 | Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao. | |
I Ki | Mg1865 | 13:8 | Fa hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho; | |
I Ki | Mg1865 | 13:9 | fa izao no tenin’ i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’ izay lalana efa nalehanao. | |
I Ki | Mg1865 | 13:10 | Dia nandeha tamin’ ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin’ ilay nalehany ho any Betela. | |
I Ki | Mg1865 | 13:11 | Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra androtr’ iny tao Betela; ary nolazain’ ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin’ ny mpanjaka. | |
I Ki | Mg1865 | 13:12 | Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay tonga avy tany Joda. | |
I Ki | Mg1865 | 13:13 | Ary hoy izy tamin’ ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany. | |
I Ki | Mg1865 | 13:14 | Ary dia nanaraka ilay lehilahin’ Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy. | |
I Ki | Mg1865 | 13:16 | Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho, | |
I Ki | Mg1865 | 13:17 | satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao. | |
I Ki | Mg1865 | 13:18 | Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany. | |
I Ki | Mg1865 | 13:20 | Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah; | |
I Ki | Mg1865 | 13:21 | ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, | |
I Ki | Mg1865 | 13:22 | fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ ny tany izay nandraran’ i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao. | |
I Ki | Mg1865 | 13:23 | Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ ilay mpaminany naveriny. | |
I Ki | Mg1865 | 13:24 | Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan’ ny faty. | |
I Ki | Mg1865 | 13:25 | Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ ilay mpaminany antitra. | |
I Ki | Mg1865 | 13:26 | Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy. | |
I Ki | Mg1865 | 13:27 | Ary izy niteny tamin’ ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy. | |
I Ki | Mg1865 | 13:28 | Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky. | |
I Ki | Mg1865 | 13:29 | Ary nobetain’ ilay mpaminany ny fatin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nasampiny tamin’ ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy. | |
I Ki | Mg1865 | 13:30 | Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian’ ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko! | |
I Ki | Mg1865 | 13:31 | Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin’ ny fasana izay ilevenan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, ka ataovy eo anilan’ ny taolany ny taolako; | |
I Ki | Mg1865 | 13:32 | fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria. | |
I Ki | Mg1865 | 13:33 | Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo. | |