I KINGS
Chapter 6
I Ki | Mg1865 | 6:1 | Ary tamin’ ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta tamin’ ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely, dia nanorina ny tranon’ i Jehovah izy. | |
I Ki | Mg1865 | 6:2 | Ary ny trano nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony. | |
I Ki | Mg1865 | 6:3 | Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan’ ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan’ ny trano ihany. | |
I Ki | Mg1865 | 6:5 | Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina; | |
I Ki | Mg1865 | 6:6 | ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan’ ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ ny rindrina. | |
I Ki | Mg1865 | 6:7 | Ary tamin’ ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin’ ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon’ ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin’ ny nanaovany azy. | |
I Ki | Mg1865 | 6:8 | Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony. | |
I Ki | Mg1865 | 6:9 | Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:10 | Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin’ ny trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:12 | Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao; | |
I Ki | Mg1865 | 6:15 | Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin’ ny vodi-rindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon’ ny trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:16 | Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra. | |
I Ki | Mg1865 | 6:18 | Ary ny sedera amin’ ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin’ ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho. | |
I Ki | Mg1865 | 6:19 | Nanisy efitra anatiny tao anatin’ ny trano izy hametrahany ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah. | |
I Ki | Mg1865 | 6:20 | Ary teo anoloan’ ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara. | |
I Ki | Mg1865 | 6:21 | Ary nopetahan’ i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin’ ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan’ ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara. | |
I Ki | Mg1865 | 6:22 | Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa. | |
I Ki | Mg1865 | 6:23 | Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony. | |
I Ki | Mg1865 | 6:24 | Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin’ ny tendron’ elany anankiray ka hatramin’ ny tendron’ elany anankiray. | |
I Ki | Mg1865 | 6:25 | Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy: | |
I Ki | Mg1865 | 6:26 | Folo hakiho ny hahavon’ ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray. | |
I Ki | Mg1865 | 6:27 | Ary ny kerobima nataony tao afovoan’ ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin’ ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan’ ny trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:29 | Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe. | |
I Ki | Mg1865 | 6:30 | Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin’ ny efi-trano anatiny, na ny teo amin’ ny ati-trano lehibe. | |
I Ki | Mg1865 | 6:31 | Ary ny varavarana mankao amin’ ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin’ ny sakan-trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:32 | Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia. | |
I Ki | Mg1865 | 6:33 | Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin’ ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano. | |
I Ki | Mg1865 | 6:34 | Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy. | |
I Ki | Mg1865 | 6:35 | Ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany. | |
I Ki | Mg1865 | 6:36 | Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy. | |
I Ki | Mg1865 | 6:37 | Tamin’ ny volana Ziva tamin’ ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah. | |