I KINGS
Chapter 17
I Ki | Mg1865 | 17:1 | Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:3 | Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan’ ny renirano Kerita, izay any atsinanan’ i Jordana. | |
I Ki | Mg1865 | 17:5 | Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin’ i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan’ ny renirano Kerita any atsinanan’ i Jordana. | |
I Ki | Mg1865 | 17:6 | Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin’ ny renirano no nisotroany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:7 | Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian’ ny ranonorana tamin’ ny tany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:9 | Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’ i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. | |
I Ki | Mg1865 | 17:10 | Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin’ ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna hianao, itondray rano kely amin’ ny fisotroana aho mba hosotroiko. | |
I Ki | Mg1865 | 17:11 | Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. | |
I Ki | Mg1865 | 17:12 | Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. | |
I Ki | Mg1865 | 17:13 | Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. | |
I Ki | Mg1865 | 17:14 | Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ ny tavoara mandra-pihavin’ ny andro handatsahan’ i Jehovah ranonorana amin’ ny tany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:15 | Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin’ ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:16 | Nefa tsy lany ny koba tao amin’ ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ ny tavoara, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Elia. | |
I Ki | Mg1865 | 17:17 | Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. | |
I Ki | Mg1865 | 17:18 | Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako? | |
I Ki | Mg1865 | 17:19 | Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. | |
I Ki | Mg1865 | 17:20 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? | |
I Ki | Mg1865 | 17:21 | Dia niampatra intelo tamin’ ny zaza izy sady nitaraina tamin’ i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ ity zaza ity. | |
I Ki | Mg1865 | 17:22 | Ary Jehovah nihaino ny feon’ i Elia, dia nody taminy indray ny ain’ ny zaza, ka dia velona izy. | |
I Ki | Mg1865 | 17:23 | Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao. | |