Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
I Ki Mg1865 11:1  Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
I Ki Mg1865 11:2  dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
I Ki Mg1865 11:3  Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
I Ki Mg1865 11:4  Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
I Ki Mg1865 11:5  Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
I Ki Mg1865 11:6  Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin’ ny fanarahana Azy tahaka an’ i Davida rainy.
I Ki Mg1865 11:7  Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
I Ki Mg1865 11:8  Ary toy izany koa no nataony ho an’ izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny.
I Ki Mg1865 11:9  Ary Jehovah tezitra tamin’ i Solomona noho ny nivilian’ ny fony niala tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
I Ki Mg1865 11:10  sady efa nandidy azy ny amin’ izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah izy.
I Ki Mg1865 11:11  Ka dia hoy Jehovah tamin’ i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
I Ki Mg1865 11:12  Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
I Ki Mg1865 11:13  Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
I Ki Mg1865 11:14  Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
I Ki Mg1865 11:15  Fa rehefa nanafika an’ i Edoma Davida, ary Joaba, komandin’ ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
I Ki Mg1865 11:16  (fa enim-bolana no nitoeran’ i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
I Ki Mg1865 11:17  dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin’ izay.
I Ki Mg1865 11:18  Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
I Ki Mg1865 11:19  Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason’ i Farao, ka dia ny rahavavin’ i Tapanesa, vadin’ ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
I Ki Mg1865 11:20  Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.
I Ki Mg1865 11:21  Ary rehefa ren’ i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin’ ny razany, sady maty koa Joaba, komandin’ ny miaramila, dia hoy izy tamin’ i Farao: Alefaso aho hody any amin’ ny tanin-drazako.
I Ki Mg1865 11:22  Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
I Ki Mg1865 11:23  Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
I Ki Mg1865 11:24  Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
I Ki Mg1865 11:25  Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
I Ki Mg1865 11:26  Ary Jerobeama, zanak’ i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon’ i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka.
I Ki Mg1865 11:27  Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
I Ki Mg1865 11:28  ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan’ i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak’ i Josefa tamin’ ny fanompoany rehetra.
I Ki Mg1865 11:29  Ary tamin’ izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
I Ki Mg1865 11:30  Dia noraisin’ i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin’ ny folo.
I Ki Mg1865 11:31  Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
I Ki Mg1865 11:32  (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
I Ki Mg1865 11:33  satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
I Ki Mg1865 11:34  Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
I Ki Mg1865 11:35  fa hesoriko eo an-tànan’ ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
I Ki Mg1865 11:36  Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
I Ki Mg1865 11:37  Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin’ izay rehetra irin’ ny fanahinao ary ho mpanjaka amin’ ny Isiraely.
I Ki Mg1865 11:38  Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
I Ki Mg1865 11:39  Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
I Ki Mg1865 11:40  Ary Solomona nitady hamono an’ i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin’ i Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’ i Solomona.
I Ki Mg1865 11:41  Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
I Ki Mg1865 11:42  Ary ny andro nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
I Ki Mg1865 11:43  Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.