Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 13
I Ki Mg1865 13:1  Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
I Ki Mg1865 13:2  Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
I Ki Mg1865 13:3  Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain’ i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.
I Ki Mg1865 13:4  Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
I Ki Mg1865 13:5  Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah.
I Ki Mg1865 13:6  Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
I Ki Mg1865 13:7  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.
I Ki Mg1865 13:8  Fa hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;
I Ki Mg1865 13:9  fa izao no tenin’ i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin’ izay lalana efa nalehanao.
I Ki Mg1865 13:10  Dia nandeha tamin’ ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin’ ilay nalehany ho any Betela.
I Ki Mg1865 13:11  Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra androtr’ iny tao Betela; ary nolazain’ ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin’ ny mpanjaka.
I Ki Mg1865 13:12  Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
I Ki Mg1865 13:13  Ary hoy izy tamin’ ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.
I Ki Mg1865 13:14  Ary dia nanaraka ilay lehilahin’ Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.
I Ki Mg1865 13:15  Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.
I Ki Mg1865 13:16  Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,
I Ki Mg1865 13:17  satria tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin’ ny lalana efa nalehanao.
I Ki Mg1865 13:18  Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
I Ki Mg1865 13:19  Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
I Ki Mg1865 13:20  Ary raha mbola nipetraka teo amin’ ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin’ ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’ i Jehovah;
I Ki Mg1865 13:21  ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
I Ki Mg1865 13:22  fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin’ ny tany izay nandraran’ i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.
I Ki Mg1865 13:23  Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan’ ilay mpaminany naveriny.
I Ki Mg1865 13:24  Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan’ ny faty.
I Ki Mg1865 13:25  Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan’ ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran’ ilay mpaminany antitra.
I Ki Mg1865 13:26  Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
I Ki Mg1865 13:27  Ary izy niteny tamin’ ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.
I Ki Mg1865 13:28  Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan’ ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.
I Ki Mg1865 13:29  Ary nobetain’ ilay mpaminany ny fatin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra ka nasampiny tamin’ ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.
I Ki Mg1865 13:30  Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian’ ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
I Ki Mg1865 13:31  Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin’ ny fasana izay ilevenan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, ka ataovy eo anilan’ ny taolany ny taolako;
I Ki Mg1865 13:32  fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
I Ki Mg1865 13:33  Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
I Ki Mg1865 13:34  Ary dia tonga fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin’ ny tany.