II CHRONICLES
Chapter 11
II C | Mg1865 | 11:1 | Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama. | |
II C | Mg1865 | 11:2 | Kanjo kosa ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, ka nanao hoe: | |
II C | Mg1865 | 11:3 | Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe: | |
II C | Mg1865 | 11:4 | Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama. | |
II C | Mg1865 | 11:10 | sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ ny Joda sy ny Benjamina. | |
II C | Mg1865 | 11:11 | Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka. | |
II C | Mg1865 | 11:12 | Ary tamin’ ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy. | |
II C | Mg1865 | 11:13 | Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ ny fari-taniny avy. | |
II C | Mg1865 | 11:14 | Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’ i Jehovah, | |
II C | Mg1865 | 11:15 | fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony). | |
II C | Mg1865 | 11:16 | Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany. | |
II C | Mg1865 | 11:17 | Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy. | |
II C | Mg1865 | 11:18 | Ary Rehoboama naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ i Jerimota, zanak’ i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’ i Eliaba, zanak’ i Jese, ho vadiny, | |
II C | Mg1865 | 11:20 | Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, izay niteraka an’ i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy. | |
II C | Mg1865 | 11:21 | Ary Rehoboama tia an’ Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo). | |
II C | Mg1865 | 11:22 | Ary Abia, zanakalahin’ Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina. | |