II SAMUEL
Chapter 6
II S | Mg1865 | 6:1 | Ary novorin’ i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ ny Isiraely, dia telo alina. | |
II S | Mg1865 | 6:2 | Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’ Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima. | |
II S | Mg1865 | 6:3 | Ary nataony teo amin’ ny sariety vaovao ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana; ary Oza sy Ahio, zanak’ i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao. | |
II S | Mg1865 | 6:4 | Ary dia nentiny niala tao an-tranon’ i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan’ ny fiara. | |
II S | Mg1865 | 6:5 | Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona. | |
II S | Mg1865 | 6:6 | Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara. | |
II S | Mg1865 | 6:7 | Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ ny fiaran’ Andriamanitra izy. | |
II S | Mg1865 | 6:8 | Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza ny anaran’ izany tany izany mandraka androany. | |
II S | Mg1865 | 6:9 | Ary Davida natahotra an’ i Jehovah tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’ i Jehovah? | |
II S | Mg1865 | 6:10 | Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’ i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’ i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita. | |
II S | Mg1865 | 6:11 | Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita ny fiaran’ i Jehovah; ka dia notahin’ i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra. | |
II S | Mg1865 | 6:12 | Ary nambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’ Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’ Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’ i Obed-edoma ho any an-Tanànan’ i Davida. | |
II S | Mg1865 | 6:13 | Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ i Jehovah, dia namono omby sy zanak’ omby mifahy izy hatao fanatitra. | |
II S | Mg1865 | 6:14 | Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy. | |
II S | Mg1865 | 6:15 | Ary Davida sy ny taranak’ i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’ i Jehovah tamin’ ny hoby sy ny feon’ ny anjomara. | |
II S | Mg1865 | 6:16 | Ary nony tonga teo an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. | |
II S | Mg1865 | 6:17 | Ary nampiditra ny fiaran’ i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ ny fitoerany tao amin’ ny lay izay naorin’ i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah. | |
II S | Mg1865 | 6:18 | Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy. | |
II S | Mg1865 | 6:19 | Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra. | |
II S | Mg1865 | 6:20 | Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’ i Saoly, nivoaka hitsena an’ i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ ny zanakavavin’ ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra. | |
II S | Mg1865 | 6:21 | Ary hoy kosa Davida tamin’ i Mikala: Teo anatrehan’ i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon’ i Jehovah, eny, teo anatrehan’ i Jehovah no nitsinjahako. | |
II S | Mg1865 | 6:22 | Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho. | |