JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 18
Jere | Mg1865 | 18:2 | Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko. | |
Jere | Mg1865 | 18:3 | Dia nidina tany amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin’ ny ankodina fanaovana izy. | |
Jere | Mg1865 | 18:4 | Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin’ ny tanimanga eny an-tànan’ ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’ ny mpanefy tanimanga hanaovana azy. | |
Jere | Mg1865 | 18:6 | Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’ i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely. | |
Jere | Mg1865 | 18:8 | Nefa raha miala amin’ ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy. | |
Jere | Mg1865 | 18:10 | Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy. | |
Jere | Mg1865 | 18:11 | Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo. | |
Jere | Mg1865 | 18:12 | Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra. | |
Jere | Mg1865 | 18:13 | Koa izao no lazain’ i Jehovah: anontanio any amin’ ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’ Isiraely virijina. | |
Jere | Mg1865 | 18:14 | Hitsahatra tsy ho eo amin’ ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan’ i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ ny tany hafa? | |
Jere | Mg1865 | 18:15 | Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ ny lalana tsy voavoatra, | |
Jere | Mg1865 | 18:16 | Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha. | |
Jere | Mg1865 | 18:17 | Toy ny fampielin’ ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin’ ny andro hahitany loza. | |
Jere | Mg1865 | 18:18 | Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny. | |
Jere | Mg1865 | 18:20 | Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy. | |
Jere | Mg1865 | 18:21 | Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin’ ny ady. | |
Jere | Mg1865 | 18:22 | Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro. | |