Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 7
Josh Mg1865 7:1  Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Josh Mg1865 7:2  Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.
Josh Mg1865 7:3  Ary niverina tany amin’ i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’ i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
Josh Mg1865 7:4  Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ ny mponina tao Ay ireo.
Josh Mg1865 7:5  Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
Josh Mg1865 7:6  Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
Josh Mg1865 7:7  Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’ i Jordana ihany!
Josh Mg1865 7:8  Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ ny fahavalony?
Josh Mg1865 7:9  Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
Josh Mg1865 7:10  Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
Josh Mg1865 7:11  Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ ny entany.
Josh Mg1865 7:12  Koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalony ny Zanak’ Isiraely; miamboho eo anoloan’ ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
Josh Mg1865 7:13  Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
Josh Mg1865 7:14  Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.
Josh Mg1865 7:15  Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin’ ny afo izy mbamin’ izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken’ i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely.
Josh Mg1865 7:16  Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen’ i Joda no notanana.
Josh Mg1865 7:17  Dia nitondra ireo fokon’ i Joda izy; ka ny fianakavian’ i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian’ i Zera indray isam-batan’ olona izy, ka Zabdy no notanana;
Josh Mg1865 7:18  dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, no notanana.
Josh Mg1865 7:19  Dia hoy Josoa tamin’ i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.
Josh Mg1865 7:20  Ary Akana namaly an’ i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ary izao ka izao no nataoko:
Josh Mg1865 7:21  Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ ny tany ao amin’ ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
Josh Mg1865 7:22  Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin’ ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
Josh Mg1865 7:23  Dia nalainy avy ao amin’ ny lay ireny ka nentiny teo amin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’ i Jehovah
Josh Mg1865 7:24  Dia nalain’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’ i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’ osiny ary ny lainy mbamin’ izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
Josh Mg1865 7:25  Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
Josh Mg1865 7:26  Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’ izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.