Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
OBADIAH
Up
1
Toggle notes
Chapter 1
Obad Mg1865 1:1  Ny fahitan’ i Obadia. Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ i Edoma: Nahare filazana avy tamin’ i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
Obad Mg1865 1:2  Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
Obad Mg1865 1:3  Ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
Obad Mg1865 1:4  Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
Obad Mg1865 1:5  Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
Obad Mg1865 1:6  Endrey ny fitady ny an’ i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
Obad Mg1865 1:7  Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
Obad Mg1865 1:8  Moa tsy amin’ izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’ i Esao?
Obad Mg1865 1:9  Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’ i Esao.
Obad Mg1865 1:10  Noho ny fampahoriana an’ i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
Obad Mg1865 1:11  Tamin’ ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin’ ny andro namaboan’ ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ ny hafa firenena teo amin’ ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’ i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ ireny koa ianao.
Obad Mg1865 1:12  Aza finaritra mijery ny andron’ ny rahalahinao amin’ ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ ny taranak’ i Joda amin’ ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ ny andro fahoriana
Obad Mg1865 1:13  Aza miditra amin’ ny vavahadin’ ny oloko amin’ ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin’ ny andro ahitany loza
Obad Mg1865 1:14  Aza mamitsaka eo amin’ ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ ny andro fahoriana.
Obad Mg1865 1:15  Fa efa antomotra amin’ ny jentilisa rehetra ny andron’ i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
Obad Mg1865 1:16  Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masìna, Dia toy izany koa no hisotroan’ ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
Obad Mg1865 1:17  Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masìna izy; Ary ny taranak’ i Jakoba hahalasa ny fananany.
Obad Mg1865 1:18  Ny taranak’ i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’ i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’ i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’ i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
Obad Mg1865 1:19  Ny any amin’ ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ny any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’ i Gileada.
Obad Mg1865 1:20  Ary ny babo amin’ izao Zanak’ Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ ny tany atsimo.
Obad Mg1865 1:21  Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ho an’ i Jehovah.