Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PHILIPPIANS
1 2 3 4
Prev Up Next
Chapter 3
Phil Mg1865 3:1  Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
Phil Mg1865 3:2  Tandremo ny tenanareo amin’ ny amboa, tandremo ny tenanareo amin’ ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ ny voakilema.
Phil Mg1865 3:3  Fa isika no voafora, izay manompo amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ary manao an’ i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ ny nofo;
Phil Mg1865 3:4  kanefa mba manana izay hitokiako amin’ ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ ny nofo, mainka fa izaho;
Phil Mg1865 3:5  fa voafora tamin’ ny andro fahavalo aho, avy amin’ ny fototr’ isiraely, dia avy amin’ ny firenen’ i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
Phil Mg1865 3:6  araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.
Phil Mg1865 3:7  Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.
Phil Mg1865 3:8  Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ ny hatsaran’ ny fahalalana an’ i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’ i Kristy;
Phil Mg1865 3:9  ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin’ ny lalàna, fa izay avy amin’ ny finoana an’ i Kristy, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ ny finoana;
Phil Mg1865 3:10  eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty ary ny fiombonana amin’ ny fijaliany ka hampitovina amin’ ny endriky ny fahafatesany,
Phil Mg1865 3:11  raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin’ ny maty.
Phil Mg1865 3:12  Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’ i Kristy Jesosy ahy.
Phil Mg1865 3:13  Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
Phil Mg1865 3:14  eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy.
Phil Mg1865 3:15  Koa aoka isika rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon’ Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
Phil Mg1865 3:16  Kanefa aoka ho amin’ ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
Phil Mg1865 3:17  Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.
Phil Mg1865 3:18  Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon’ ny hazo fijalian’ i Kristy ireny;
Phil Mg1865 3:19  fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ ny tany izy.
Phil Mg1865 3:20  Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo,
Phil Mg1865 3:21  Izay hanova ny tenan’ ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ ny tenan’ ny voninahiny, araka ny fiàsan’ ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.