ROMANS
Chapter 12
| Roma | Mg1865 | 12:1 | Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. | |
| Roma | Mg1865 | 12:2 | Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. | |
| Roma | Mg1865 | 12:3 | Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy. | |
| Roma | Mg1865 | 12:4 | Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, | |
| Roma | Mg1865 | 12:5 | dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. | |
| Roma | Mg1865 | 12:6 | Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; | |
| Roma | Mg1865 | 12:7 | raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana; | |
| Roma | Mg1865 | 12:8 | raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana. | |
| Roma | Mg1865 | 12:9 | Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara. | |
| Roma | Mg1865 | 12:10 | Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra. | |
| Roma | Mg1865 | 12:12 | Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana. | |
| Roma | Mg1865 | 12:16 | Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. | |
| Roma | Mg1865 | 12:17 | Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra. | |
| Roma | Mg1865 | 12:19 | Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah. | |
| Roma | Mg1865 | 12:20 | Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. | |