Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ROMANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next
Chapter 2
Roma Mg1865 2:1  Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
Roma Mg1865 2:2  Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.
Roma Mg1865 2:3  Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?
Roma Mg1865 2:4  Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
Roma Mg1865 2:5  Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra,
Roma Mg1865 2:6  Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
Roma Mg1865 2:7  ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
Roma Mg1865 2:8  fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
Roma Mg1865 2:9  eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa;
Roma Mg1865 2:10  fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
Roma Mg1865 2:11  Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.
Roma Mg1865 2:12  Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
Roma Mg1865 2:13  Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’ Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
Roma Mg1865 2:14  fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
Roma Mg1865 2:15  fa ireo maneho ny asan’ ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,―
Roma Mg1865 2:16  amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
Roma Mg1865 2:17  Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ ny lalàna sy manao an’ Andriamanitra ho reharehanao
Roma Mg1865 2:18  ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao
Roma Mg1865 2:19  ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ ny maizina,
Roma Mg1865 2:20  mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
Roma Mg1865 2:21  ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
Roma Mg1865 2:22  Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
Roma Mg1865 2:23  Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’ Andriamanitra ihany va ianao amin’ ny andikanao ny lalàna?
Roma Mg1865 2:24  Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra any amin’ ny jentilisa.
Roma Mg1865 2:25  Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
Roma Mg1865 2:26  Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
Roma Mg1865 2:27  Ary tsy hohelohin’ ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
Roma Mg1865 2:28  Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ ny nofo no famorana;
Roma Mg1865 2:29  fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ ny fo, amin’ ny fanahy, fa tsy amin’ ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ ny olona, fa avy amin’ Andriamanitra.