ROMANS
Chapter 16
Roma | Mg1865 | 16:1 | Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo, | |
Roma | Mg1865 | 16:2 | mba horaisinareo ao amin’ ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masìna, ary mba hampianareo izy amin’ izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ ny tenako koa. | |
Roma | Mg1865 | 16:4 | izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ ny jentilisa koa. | |
Roma | Mg1865 | 16:5 | Ary veloma amin’ ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’ i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’ i Asia ho an’ i Kristy. | |
Roma | Mg1865 | 16:7 | Veloma amin’ i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ ny Apostoly sady tao amin’ i Kristy talohako. | |
Roma | Mg1865 | 16:10 | Veloma amin’ i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’ i Kristy. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Aristobolo. | |
Roma | Mg1865 | 16:11 | Veloma amin’ i Herodiona havako. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Narkisa, izay ao amin’ ny Tompo. | |
Roma | Mg1865 | 16:12 | Veloma amin’ i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ ny Tompo. Veloma amin’ i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ ny Tompo. | |
Roma | Mg1865 | 16:13 | Veloma amin’ i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ ny Tompo, ary amin’ ny reniny sy reniko. | |
Roma | Mg1865 | 16:14 | Veloma amin’ i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ ny rahalahy ao aminy. | |
Roma | Mg1865 | 16:15 | Veloma amin’ i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masìna rehetra izay ao aminy. | |
Roma | Mg1865 | 16:16 | Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. Ny fiangonana rehetra an’ i Kristy manao veloma anareo. | |
Roma | Mg1865 | 16:17 | Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny. | |
Roma | Mg1865 | 16:18 | Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina. | |
Roma | Mg1865 | 16:19 | Fa efa niely any amin’ ny olona rehetra ny lazan’ ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’ izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’ izay ratsy. | |
Roma | Mg1865 | 16:20 | Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. | |
Roma | Mg1865 | 16:21 | Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako. | |
Roma | Mg1865 | 16:22 | Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ ny Tompo. | |
Roma | Mg1865 | 16:23 | Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo. | |
Roma | Mg1865 | 16:25 | Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, | |
Roma | Mg1865 | 16:26 | fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, | |