JEREMIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
Chapter 30
Jere | Mg1865 | 30:2 | Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao. | |
Jere | Mg1865 | 30:3 | Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany. | |
Jere | Mg1865 | 30:5 | eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana. | |
Jere | Mg1865 | 30:6 | Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa? | |
Jere | Mg1865 | 30:7 | Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy. | |
Jere | Mg1865 | 30:8 | Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony; | |
Jere | Mg1865 | 30:9 | Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao. | |
Jere | Mg1865 | 30:10 | Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy. | |
Jere | Mg1865 | 30:11 | Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny. | |
Jere | Mg1865 | 30:12 | Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao. | |
Jere | Mg1865 | 30:13 | Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ ny ferinao ianao. | |
Jere | Mg1865 | 30:14 | Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao. | |
Jere | Mg1865 | 30:15 | Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao. | |
Jere | Mg1865 | 30:16 | Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina. | |
Jere | Mg1865 | 30:17 | Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity. | |
Jere | Mg1865 | 30:18 | Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy. | |
Jere | Mg1865 | 30:19 | Ary hisy fisaorana sy feon’ ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy. | |
Jere | Mg1865 | 30:20 | Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy. | |
Jere | Mg1865 | 30:21 | Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah. | |
Jere | Mg1865 | 30:23 | He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy. | |