DEUTERONOMY
Chapter 15
Deut | Mg1865 | 15:2 | Ary izao no ho fomban’ ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’ i Jehovah. | |
Deut | Mg1865 | 15:3 | Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin’ ny rahalahinao kosa dia hafoinao; | |
Deut | Mg1865 | 15:4 | kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, | |
Deut | Mg1865 | 15:5 | raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio. | |
Deut | Mg1865 | 15:6 | Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao. | |
Deut | Mg1865 | 15:7 | Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo; | |
Deut | Mg1865 | 15:8 | fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy. | |
Deut | Mg1865 | 15:9 | Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany. | |
Deut | Mg1865 | 15:10 | Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ ny asanao rehetra sy amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao. | |
Deut | Mg1865 | 15:11 | Fa ny tany tsy ilaozan’ olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ ny taninao. | |
Deut | Mg1865 | 15:12 | Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ ny taona fahafito. | |
Deut | Mg1865 | 15:14 | fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ ny ondry aman’ osinao ary avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. | |
Deut | Mg1865 | 15:15 | Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio. | |
Deut | Mg1865 | 15:16 | Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy, | |
Deut | Mg1865 | 15:17 | dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin’ ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny ankizivavinao. | |
Deut | Mg1865 | 15:18 | Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ ny mpikarama no azonao tamin’ ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra ataonao. | |
Deut | Mg1865 | 15:19 | Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao. | |
Deut | Mg1865 | 15:20 | Eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah. | |
Deut | Mg1865 | 15:21 | Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ireny. | |
Deut | Mg1865 | 15:22 | Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera. | |