EPHESIANS
Chapter 2
Ephe | Mg1865 | 2:1 | Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, | |
Ephe | Mg1865 | 2:2 | izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; | |
Ephe | Mg1865 | 2:3 | teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. | |
Ephe | Mg1865 | 2:4 | Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika, | |
Ephe | Mg1865 | 2:5 | na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); | |
Ephe | Mg1865 | 2:6 | ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy, | |
Ephe | Mg1865 | 2:7 | mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy. | |
Ephe | Mg1865 | 2:8 | Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra; | |
Ephe | Mg1865 | 2:10 | Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. | |
Ephe | Mg1865 | 2:11 | Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ ny voaforan-tanana teo amin’ ny nofo hoe tsy voafora ― | |
Ephe | Mg1865 | 2:12 | eny, tsarovy fa tamin’ izany andro izany dia tsy nanana an’ i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao; | |
Ephe | Mg1865 | 2:13 | fa ankehitriny kosa, ao amin’ i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy. | |
Ephe | Mg1865 | 2:14 | Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, | |
Ephe | Mg1865 | 2:15 | fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, | |
Ephe | Mg1865 | 2:16 | ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. | |
Ephe | Mg1865 | 2:17 | Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’ izay akaiky koa. | |
Ephe | Mg1865 | 2:18 | Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray. | |
Ephe | Mg1865 | 2:19 | Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra, | |
Ephe | Mg1865 | 2:20 | natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; | |
Ephe | Mg1865 | 2:21 | ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masìna ao amin’ ny Tompo. | |