Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EPHESIANS
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
Ephe Mg1865 4:1  Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
Ephe Mg1865 4:2  amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,
Ephe Mg1865 4:3  mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.
Ephe Mg1865 4:4  Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
Ephe Mg1865 4:5  iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
Ephe Mg1865 4:6  iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.
Ephe Mg1865 4:7  Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.
Ephe Mg1865 4:8  Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.
Ephe Mg1865 4:9  (Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?
Ephe Mg1865 4:10  Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
Ephe Mg1865 4:11  Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Ephe Mg1865 4:12  ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
Ephe Mg1865 4:13  mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
Ephe Mg1865 4:14  mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
Ephe Mg1865 4:15  fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;
Ephe Mg1865 4:16  Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.
Ephe Mg1865 4:17  Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;
Ephe Mg1865 4:18  fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
Ephe Mg1865 4:19  dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.
Ephe Mg1865 4:20  Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,
Ephe Mg1865 4:21  raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,
Ephe Mg1865 4:22  mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
Ephe Mg1865 4:23  fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,
Ephe Mg1865 4:24  ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Ephe Mg1865 4:25  Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
Ephe Mg1865 4:26  Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Ephe Mg1865 4:28  Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
Ephe Mg1865 4:29  Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.
Ephe Mg1865 4:30  Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.
Ephe Mg1865 4:31  Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
Ephe Mg1865 4:32  ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.