Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EPHESIANS
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 1
Ephe Mg1865 1:1  Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masìna any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesosy:
Ephe Mg1865 1:2  ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Ephe Mg1865 1:3  Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Ephe Mg1865 1:4  araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
Ephe Mg1865 1:5  rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan’ anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,
Ephe Mg1865 1:6  ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
Ephe Mg1865 1:7  Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,
Ephe Mg1865 1:8  izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
Ephe Mg1865 1:9  rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,
Ephe Mg1865 1:10  hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;
Ephe Mg1865 1:11  ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony,
Ephe Mg1865 1:12  mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.
Ephe Mg1865 1:13  Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.
Ephe Mg1865 1:14  Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
Ephe Mg1865 1:15  Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masìna rehetra,
Ephe Mg1865 1:16  dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,
Ephe Mg1865 1:17  mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,
Ephe Mg1865 1:18  ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masìna,
Ephe Mg1865 1:19  ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,
Ephe Mg1865 1:20  izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,
Ephe Mg1865 1:21  ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,
Ephe Mg1865 1:22  dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,
Ephe Mg1865 1:23  izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.