I CHRONICLES
Chapter 14
I Ch | Mg1865 | 14:1 | Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy. | |
I Ch | Mg1865 | 14:2 | Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony. | |
I Ch | Mg1865 | 14:4 | Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona | |
I Ch | Mg1865 | 14:8 | Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy. | |
I Ch | Mg1865 | 14:10 | Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. | |
I Ch | Mg1865 | 14:11 | Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima. | |
I Ch | Mg1865 | 14:12 | Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo. | |
I Ch | Mg1865 | 14:14 | Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama. | |
I Ch | Mg1865 | 14:15 | Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina. | |
I Ch | Mg1865 | 14:16 | Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. | |