Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JUDGES
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next
Chapter 4
Judg Mg1865 4:1  Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
Judg Mg1865 4:2  Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ ny Jentilisa, no komandin’ ny miaramilany.
Judg Mg1865 4:3  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.
Judg Mg1865 4:4  Ary Debora mpaminanivavy, vadin’ i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’ izany andro izany.
Judg Mg1865 4:5  Ary izy nipetraka teo ambanin’ ny hazo rofian’ i Debora, teo anelanelan’ i Rama sy Betela, tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’ Isiraely hatsaraina.
Judg Mg1865 4:6  Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
Judg Mg1865 4:7  Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ ny ony Kisona, Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Jabina, mbamin’ ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
Judg Mg1865 4:8  Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
Judg Mg1865 4:9  Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’ i Jehovah an’ i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’ i Baraka hankany Kadesy
Judg Mg1865 4:10  Ary nantsoin’ i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
Judg Mg1865 4:11  Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ ny Kenita izay avy amin’ ny taranak’ i Hobaba, zaodahin’ i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’ i Kadesy.
Judg Mg1865 4:12  Ary nisy nilaza tamin’ i Sisera fa Baraka, zanak’ i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
Judg Mg1865 4:13  Dia nangonin’ i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ ny Jentilisa, hankany amin’ ny ony Kisona.
Judg Mg1865 4:14  Ary hoy Debora tamin’ i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’ i Jehovah an’ i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
Judg Mg1865 4:15  Dia nampifanaritahin’ i Jehovah tamin’ ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’ i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin’ ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
Judg Mg1865 4:16  Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’ i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Judg Mg1865 4:17  Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ ny lain’ i Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’ i Hazora, sy ny mpianakavin’ i Hebera Kenita.
Judg Mg1865 4:18  Dia nivoaka Jaela hitsena an’ i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
Judg Mg1865 4:19  Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
Judg Mg1865 4:20  Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
Judg Mg1865 4:21  Dia naka tsima-day Jaela, vadin’ i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
Judg Mg1865 4:22  Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’ i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’ i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ ny fihirifany.
Judg Mg1865 4:23  Dia naetrin’ Andriamanitra teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany Jabina, mpanjakan’ i Kanana.
Judg Mg1865 4:24  Ary ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely nihahery tamin’ i Jabina, mpanjakan’ i Kanana, mandra-pandringany azy.