LEVITICUS
Chapter 3
Levi | Mg1865 | 3:1 | Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 3:2 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | |
Levi | Mg1865 | 3:3 | Dia hangalan’ ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | |
Levi | Mg1865 | 3:4 | sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | |
Levi | Mg1865 | 3:5 | Ary ireo zanak’ i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara miaraka amin’ ny fanatitra dorana izay eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany. | |
Levi | Mg1865 | 3:6 | Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny. | |
Levi | Mg1865 | 3:7 | Raha zanak’ ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah izy. | |
Levi | Mg1865 | 3:8 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | |
Levi | Mg1865 | 3:9 | Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | |
Levi | Mg1865 | 3:10 | ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | |
Levi | Mg1865 | 3:11 | Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany. | |
Levi | Mg1865 | 3:13 | Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’ i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | |
Levi | Mg1865 | 3:14 | Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | |
Levi | Mg1865 | 3:15 | ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | |
Levi | Mg1865 | 3:16 | Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; hanina avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an’ i Jehovah ny sabora rehetra. | |