LEVITICUS
Chapter 22
Levi | Mg1865 | 22:2 | Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 22:3 | Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 22:4 | Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy, | |
Levi | Mg1865 | 22:5 | na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany, | |
Levi | Mg1865 | 22:6 | ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro ka tsy hihinana amin’ ny zava-masìna, raha tsy mandro amin’ ny rano. | |
Levi | Mg1865 | 22:7 | Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ ny zava-masìna, satria fihinany izany. | |
Levi | Mg1865 | 22:8 | Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 22:9 | Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy. | |
Levi | Mg1865 | 22:10 | Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masìna; na izay mivahiny ao amin’ ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masìna. | |
Levi | Mg1865 | 22:11 | Fa raha misy olona novidin’ ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’ izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin’ ny fihinan’ ny mpisorona koa. | |
Levi | Mg1865 | 22:12 | Ary raha misy zanakavavin’ ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin’ ny fanatitra avy amin’ ny zava-masìna izy. | |
Levi | Mg1865 | 22:13 | Fa raha misy zanakavavin’ ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany. | |
Levi | Mg1865 | 22:14 | Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ ny zava-masìna, dia honerany ny zava-masìna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina: | |
Levi | Mg1865 | 22:15 | Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ i Jehovah, | |
Levi | Mg1865 | 22:16 | na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy. | |
Levi | Mg1865 | 22:18 | Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, | |
Levi | Mg1865 | 22:19 | dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak’ ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo. | |
Levi | Mg1865 | 22:21 | Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy. | |
Levi | Mg1865 | 22:22 | Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an’ i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin’ ny afo eo ambonin’ ny alitara ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 22:23 | Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy. | |
Levi | Mg1865 | 22:24 | Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an’ i Jehovah; ary aza manao izany eo amin’ ny taninareo. | |
Levi | Mg1865 | 22:25 | Ary raha misy entin’ olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin’ Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany. | |
Levi | Mg1865 | 22:27 | Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 22:28 | Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany. | |
Levi | Mg1865 | 22:29 | Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’ i Jehovah ianareo, dia amin’ izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy. | |
Levi | Mg1865 | 22:30 | Amin’ izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah | |
Levi | Mg1865 | 22:32 | Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah, | |