LEVITICUS
Chapter 7
Levi | Mg1865 | 7:2 | Eo amin’ izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara. | |
Levi | Mg1865 | 7:3 | Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy | |
Levi | Mg1865 | 7:4 | ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:5 | Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ireo ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanati-panonerana izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:6 | Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:7 | Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’ izy roa: ho an’ ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:8 | Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin’ ny olona dia hahazo ny hoditr’ izany fanatitra dorana nateriny izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:9 | Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in’ ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ ny vilany fandrahoana, na amin’ ny lapoely, dia ho an’ ilay mpisorona manatitra azy. | |
Levi | Mg1865 | 7:10 | Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ ny zanak’ i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy. | |
Levi | Mg1865 | 7:12 | Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. | |
Levi | Mg1865 | 7:13 | Ary miaraka amin’ ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. | |
Levi | Mg1865 | 7:14 | Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah; ho an’ ilay mpisorona manopy ny ran’ ny fanati-pihavanana izany. | |
Levi | Mg1865 | 7:15 | Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. | |
Levi | Mg1865 | 7:16 | Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny. | |
Levi | Mg1865 | 7:17 | Fa ny sisa amin’ ny henan’ ny fanatitra dia hodorana amin’ ny afo amin’ ny andro fahatelo. | |
Levi | Mg1865 | 7:18 | Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka. | |
Levi | Mg1865 | 7:19 | Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin’ ny afo; ary ny amin’ ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; | |
Levi | Mg1865 | 7:20 | fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ ny fanati-pihavanana, izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny. | |
Levi | Mg1865 | 7:21 | Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’ olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ ny henan’ ny fanati-pihavanana izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny. | |
Levi | Mg1865 | 7:23 | Mitenana amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an’ ny omby, na ny an’ ny ondry, nany an’ ny osy. | |
Levi | Mg1865 | 7:24 | Ary ny saboran’ ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’ izay noviraviraim-biby dila azo atao amin’ ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. | |
Levi | Mg1865 | 7:25 | Fa izay rehetra mihinana saboran’ ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny. | |
Levi | Mg1865 | 7:26 | Ary aza mihinana rà eny amin’ izay rehetra itoeranareo, na ny an’ ny vorona, na ny an’ ny biby fiompy. | |
Levi | Mg1865 | 7:29 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an’ i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fanati-pihavanany. | |
Levi | Mg1865 | 7:30 | Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 7:31 | Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’ i Arona sy ireo zanany. | |
Levi | Mg1865 | 7:32 | Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo. | |
Levi | Mg1865 | 7:33 | Ny anankiray amin’ ny zanak’ i Arona izay manatitra ny ran’ ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany. | |
Levi | Mg1865 | 7:34 | Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’ i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ ny Zanak’ Isiraely. | |
Levi | Mg1865 | 7:35 | Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah, | |
Levi | Mg1865 | 7:36 | dia izay nandidian’ i Jehovah homena azy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby. | |
Levi | Mg1865 | 7:37 | Izany no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, | |