Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
LEVITICUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 24
Levi Mg1865 24:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Levi Mg1865 24:2  Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
Levi Mg1865 24:3  Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.
Levi Mg1865 24:4  Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
Levi Mg1865 24:5  Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.
Levi Mg1865 24:6  Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
Levi Mg1865 24:7  Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Levi Mg1865 24:8  Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
Levi Mg1865 24:9  Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.
Levi Mg1865 24:10  Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
Levi Mg1865 24:11  Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
Levi Mg1865 24:12  ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.
Levi Mg1865 24:13  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Levi Mg1865 24:14  Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
Levi Mg1865 24:15  Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,
Levi Mg1865 24:16  Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
Levi Mg1865 24:18  Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby.
Levi Mg1865 24:19  Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
Levi Mg1865 24:20  tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa.
Levi Mg1865 24:21  Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
Levi Mg1865 24:22  Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Levi Mg1865 24:23  Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.