LEVITICUS
Chapter 25
Levi | Mg1865 | 25:2 | Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 25:3 | Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra; | |
Levi | Mg1865 | 25:4 | fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah; aza mamafy amin’ ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao. | |
Levi | Mg1865 | 25:5 | Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany. | |
Levi | Mg1865 | 25:6 | Ary izay maniry ho azy amin’ ny sabatan’ ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao | |
Levi | Mg1865 | 25:7 | sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny. | |
Levi | Mg1865 | 25:8 | Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. | |
Levi | Mg1865 | 25:9 | Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:10 | Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy. | |
Levi | Mg1865 | 25:11 | Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo; | |
Levi | Mg1865 | 25:12 | fa Jobily izany ka ho masìna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:14 | Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra: | |
Levi | Mg1865 | 25:15 | araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao. | |
Levi | Mg1865 | 25:16 | Araka ny hamaron’ ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao. | |
Levi | Mg1865 | 25:17 | Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:18 | Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ ny tany ianareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:20 | Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray; | |
Levi | Mg1865 | 25:21 | dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona. | |
Levi | Mg1865 | 25:22 | Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy. | |
Levi | Mg1865 | 25:23 | Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:25 | Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny. | |
Levi | Mg1865 | 25:26 | Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy, | |
Levi | Mg1865 | 25:27 | dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy. | |
Levi | Mg1865 | 25:28 | Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy. | |
Levi | Mg1865 | 25:29 | Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’ izany no hahazoany manavotra azy. | |
Levi | Mg1865 | 25:30 | Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’ izay nividy azy sy ho an’ ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ ny Jobily aza. | |
Levi | Mg1865 | 25:31 | Fa ny trano ao amin’ ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ ny Jobily. | |
Levi | Mg1865 | 25:32 | Kanefa ny amin’ ny tanànan’ ny Levita, ny trano ao amin’ ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ ny Levita avotana ihany na oviana na oviana. | |
Levi | Mg1865 | 25:33 | Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ ny Levita dia lovany ao amin’ ny Zanak’ Isiraely. | |
Levi | Mg1865 | 25:34 | Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany. | |
Levi | Mg1865 | 25:35 | Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy. | |
Levi | Mg1865 | 25:36 | Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao. | |
Levi | Mg1865 | 25:38 | Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo. | |
Levi | Mg1865 | 25:39 | Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy; | |
Levi | Mg1865 | 25:40 | fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao. | |
Levi | Mg1865 | 25:41 | Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa. | |
Levi | Mg1865 | 25:42 | Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo. | |
Levi | Mg1865 | 25:44 | Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy. | |
Levi | Mg1865 | 25:45 | Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany. | |
Levi | Mg1865 | 25:46 | Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra. | |
Levi | Mg1865 | 25:47 | Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny; | |
Levi | Mg1865 | 25:48 | na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ ny rahalahiny no mahazo manavotra azy: | |
Levi | Mg1865 | 25:49 | na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy. | |
Levi | Mg1865 | 25:50 | Ary dia hisainy amin’ izay nividy azy hatramin’ ny taona nivarotana azy ka hatramin’ ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ ny mpikarama no hiheverana azy. | |
Levi | Mg1865 | 25:51 | Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ ny vola vidiny teo aloha. | |
Levi | Mg1865 | 25:52 | Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony. | |
Levi | Mg1865 | 25:53 | Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy. | |
Levi | Mg1865 | 25:54 | Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa. | |