LEVITICUS
Chapter 21
Levi | Mg1865 | 21:1 | Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny, | |
Levi | Mg1865 | 21:2 | afa-tsy amin’ ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny; | |
Levi | Mg1865 | 21:3 | ary amin’ ny fatin’ ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany. | |
Levi | Mg1865 | 21:4 | Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ ny fireneny izy. | |
Levi | Mg1865 | 21:6 | Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna. | |
Levi | Mg1865 | 21:7 | Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ ny lahy; fa masìna ho an’ Andriamaniny ny mpisorona. | |
Levi | Mg1865 | 21:8 | Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo. | |
Levi | Mg1865 | 21:9 | Ary raha ny zanakavavin’ ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ ny afo. | |
Levi | Mg1865 | 21:10 | Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany. | |
Levi | Mg1865 | 21:11 | Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ ny rainy aman-dreniny aza. | |
Levi | Mg1865 | 21:12 | Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah. | |
Levi | Mg1865 | 21:14 | Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny. | |
Levi | Mg1865 | 21:15 | Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy. | |
Levi | Mg1865 | 21:17 | Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny; | |
Levi | Mg1865 | 21:18 | Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby, | |
Levi | Mg1865 | 21:20 | na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy. | |
Levi | Mg1865 | 21:21 | Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny. | |
Levi | Mg1865 | 21:22 | Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany; | |
Levi | Mg1865 | 21:23 | kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy. | |