MARK
Chapter 16
Mark | Mg1865 | 16:1 | Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy. | |
Mark | Mg1865 | 16:2 | Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo. | |
Mark | Mg1865 | 16:3 | Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ ny varavaram-pasana hisolo antsika? | |
Mark | Mg1865 | 16:4 | Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato. | |
Mark | Mg1865 | 16:5 | Ary raha niditra tao anatin’ ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy. | |
Mark | Mg1865 | 16:6 | Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’ i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy. | |
Mark | Mg1865 | 16:7 | Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo. | |
Mark | Mg1865 | 16:8 | Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’ olona izy, satria natahotra. | |
Mark | Mg1865 | 16:9 | [Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy. | |
Mark | Mg1865 | 16:10 | Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ ireo efa nomba an’ i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. | |
Mark | Mg1865 | 16:11 | Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany. | |
Mark | Mg1865 | 16:12 | Ary taorian’ izany Jesosy dia niseho tamin’ ny endrika hafa tamin’ ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha. | |
Mark | Mg1865 | 16:13 | Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin’ ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa. | |
Mark | Mg1865 | 16:14 | Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy. | |
Mark | Mg1865 | 16:15 | Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra. | |
Mark | Mg1865 | 16:17 | Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; | |
Mark | Mg1865 | 16:18 | handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny. | |
Mark | Mg1865 | 16:19 | Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra. | |