Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 7
Mark Mg1865 7:1  Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
Mark Mg1865 7:2  ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
Mark Mg1865 7:3  (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
Mark Mg1865 7:4  Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.)
Mark Mg1865 7:5  Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy?
Mark Mg1865 7:6  Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
Mark Mg1865 7:7  Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy..
Mark Mg1865 7:8  Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ ny olona.
Mark Mg1865 7:9  Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
Mark Mg1865 7:10  Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa.
Mark Mg1865 7:11  Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
Mark Mg1865 7:12  dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy,
Mark Mg1865 7:13  ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo.
Mark Mg1865 7:14  Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Mark Mg1865 7:15  Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.
Mark Mg1865 7:17  Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany.
Mark Mg1865 7:18  Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
Mark Mg1865 7:19  satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
Mark Mg1865 7:20  Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.
Mark Mg1865 7:21  Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona,
Mark Mg1865 7:22  ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana:
Mark Mg1865 7:23  izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy.
Mark Mg1865 7:24  Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
Mark Mg1865 7:25  Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony.
Mark Mg1865 7:26  Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy.
Mark Mg1865 7:27  Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
Mark Mg1865 7:28  Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany.
Mark Mg1865 7:29  Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia.
Mark Mg1865 7:30  Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
Mark Mg1865 7:31  Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia.
Mark Mg1865 7:32  Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
Mark Mg1865 7:33  Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
Mark Mg1865 7:34  ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
Mark Mg1865 7:35  Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
Mark Mg1865 7:36  Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
Mark Mg1865 7:37  Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.