MARK
Chapter 7
Mark | Mg1865 | 7:1 | Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema | |
Mark | Mg1865 | 7:2 | ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. | |
Mark | Mg1865 | 7:3 | (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy. | |
Mark | Mg1865 | 7:4 | Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin’ izay fanaka varahina.) | |
Mark | Mg1865 | 7:5 | Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ ny tanana tsy misasa izy? | |
Mark | Mg1865 | 7:6 | Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’ Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy. | |
Mark | Mg1865 | 7:7 | Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.. | |
Mark | Mg1865 | 7:9 | Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’ Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! | |
Mark | Mg1865 | 7:10 | Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa. | |
Mark | Mg1865 | 7:11 | Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ ny rainy na amin’ ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’ Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, | |
Mark | Mg1865 | 7:12 | dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ ny rainy sy ny reniny intsony izy, | |
Mark | Mg1865 | 7:13 | ka dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’ izany koa no ataonareo. | |
Mark | Mg1865 | 7:14 | Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. | |
Mark | Mg1865 | 7:15 | Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy. | |
Mark | Mg1865 | 7:17 | Ary rehefa niala teo amin’ ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’ izany fanoharana izany. | |
Mark | Mg1865 | 7:18 | Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, | |
Mark | Mg1865 | 7:19 | satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. | |
Mark | Mg1865 | 7:21 | Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona, | |
Mark | Mg1865 | 7:22 | ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: | |
Mark | Mg1865 | 7:23 | izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy. | |
Mark | Mg1865 | 7:24 | Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. | |
Mark | Mg1865 | 7:25 | Fa niaraka tamin’ izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ ny tongony. | |
Mark | Mg1865 | 7:26 | Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ ny zananivavy. | |
Mark | Mg1865 | 7:27 | Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely. | |
Mark | Mg1865 | 7:28 | Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ ny mofon-jaza ihany. | |
Mark | Mg1865 | 7:29 | Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ ny zanakao-vavy ny demonia. | |
Mark | Mg1865 | 7:30 | Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy. | |
Mark | Mg1865 | 7:31 | Ary Jesosy niala indray tamin’ ny sisin-tanin’ i Tyro, dia namaky an’ i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia. | |
Mark | Mg1865 | 7:32 | Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. | |
Mark | Mg1865 | 7:33 | Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; | |
Mark | Mg1865 | 7:34 | ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. | |
Mark | Mg1865 | 7:35 | Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. | |
Mark | Mg1865 | 7:36 | Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’ iza na amin’ iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. | |