MARK
Chapter 5
Mark | Mg1865 | 5:2 | Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy, | |
Mark | Mg1865 | 5:3 | fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza. | |
Mark | Mg1865 | 5:4 | Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. | |
Mark | Mg1865 | 5:5 | Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato. | |
Mark | Mg1865 | 5:6 | Fa nony nahita an’ i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany | |
Mark | Mg1865 | 5:7 | sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, | |
Mark | Mg1865 | 5:8 | satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. | |
Mark | Mg1865 | 5:9 | Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. | |
Mark | Mg1865 | 5:12 | Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ ny kisoa mba hiditra any aminy. | |
Mark | Mg1865 | 5:13 | Dia neken’ i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ ny ranomasina izy. | |
Mark | Mg1865 | 5:14 | Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; | |
Mark | Mg1865 | 5:15 | ary tonga tany amin’ i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. | |
Mark | Mg1865 | 5:16 | Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ ny olona izay natao tamin’ ilay demoniaka sy ny amin’ ny kisoa. | |
Mark | Mg1865 | 5:18 | Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. | |
Mark | Mg1865 | 5:19 | Nefa tsy navelan’ i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. | |
Mark | Mg1865 | 5:20 | Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’ i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. | |
Mark | Mg1865 | 5:21 | Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy. | |
Mark | Mg1865 | 5:22 | Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony | |
Mark | Mg1865 | 5:23 | ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona. | |
Mark | Mg1865 | 5:24 | Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. | |
Mark | Mg1865 | 5:26 | sady efa niaritra zavatra be tamin’ ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; | |
Mark | Mg1865 | 5:27 | koa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. | |
Mark | Mg1865 | 5:29 | Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy. | |
Mark | Mg1865 | 5:30 | Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? | |
Mark | Mg1865 | 5:31 | Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? | |
Mark | Mg1865 | 5:33 | Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. | |
Mark | Mg1865 | 5:34 | Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao. | |
Mark | Mg1865 | 5:35 | Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? | |
Mark | Mg1865 | 5:36 | Fa tsy nahoan’ i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. | |
Mark | Mg1865 | 5:37 | Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba. | |
Mark | Mg1865 | 5:38 | Ary dia tonga tao an-tranon’ ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’ i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. | |
Mark | Mg1865 | 5:39 | Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. | |
Mark | Mg1865 | 5:40 | Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy. | |
Mark | Mg1865 | 5:41 | Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. | |
Mark | Mg1865 | 5:42 | Dia nitsangana niaraka tamin’ izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’ izay dia talanjona indrindra ny olona. | |