Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next
Chapter 8
Mark Mg1865 8:1  Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
Mark Mg1865 8:2  Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
Mark Mg1865 8:3  koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
Mark Mg1865 8:4  Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
Mark Mg1865 8:5  Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
Mark Mg1865 8:6  Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
Mark Mg1865 8:7  Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
Mark Mg1865 8:8  Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
Mark Mg1865 8:9  Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
Mark Mg1865 8:10  Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.
Mark Mg1865 8:11  Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
Mark Mg1865 8:12  Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
Mark Mg1865 8:13  Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
Mark Mg1865 8:14  Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
Mark Mg1865 8:15  Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.
Mark Mg1865 8:16  Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
Mark Mg1865 8:17  Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
Mark Mg1865 8:18  Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Mark Mg1865 8:19  Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.
Mark Mg1865 8:20  Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
Mark Mg1865 8:21  Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
Mark Mg1865 8:22  Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
Mark Mg1865 8:23  Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
Mark Mg1865 8:24  Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
Mark Mg1865 8:25  Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
Mark Mg1865 8:26  Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
Mark Mg1865 8:27  Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
Mark Mg1865 8:28  Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.
Mark Mg1865 8:29  Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
Mark Mg1865 8:30  Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.
Mark Mg1865 8:31  Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
Mark Mg1865 8:32  Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
Mark Mg1865 8:33  Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
Mark Mg1865 8:34  Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Mark Mg1865 8:35  Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
Mark Mg1865 8:36  Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
Mark Mg1865 8:37  Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Mark Mg1865 8:38  Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.