Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 10
Mark Mg1865 10:1  Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
Mark Mg1865 10:2  Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
Mark Mg1865 10:3  Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
Mark Mg1865 10:4  Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
Mark Mg1865 10:5  Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
Mark Mg1865 10:6  fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.
Mark Mg1865 10:7  Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
Mark Mg1865 10:8  ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
Mark Mg1865 10:9  Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
Mark Mg1865 10:10  Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
Mark Mg1865 10:11  Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
Mark Mg1865 10:12  Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
Mark Mg1865 10:13  Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
Mark Mg1865 10:14  Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
Mark Mg1865 10:15  Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
Mark Mg1865 10:16  Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
Mark Mg1865 10:17  Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
Mark Mg1865 10:18  Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
Mark Mg1865 10:19  Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
Mark Mg1865 10:20  Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
Mark Mg1865 10:21  Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Mark Mg1865 10:22  Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.
Mark Mg1865 10:23  Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Mark Mg1865 10:24  Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Mark Mg1865 10:25  Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Mark Mg1865 10:26  Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?.
Mark Mg1865 10:27  Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.
Mark Mg1865 10:28  Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
Mark Mg1865 10:29  Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
Mark Mg1865 10:30  ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
Mark Mg1865 10:31  Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
Mark Mg1865 10:32  Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
Mark Mg1865 10:33  ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
Mark Mg1865 10:34  ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
Mark Mg1865 10:35  Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
Mark Mg1865 10:36  Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
Mark Mg1865 10:37  Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.
Mark Mg1865 10:38  Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
Mark Mg1865 10:39  Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
Mark Mg1865 10:40  fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
Mark Mg1865 10:41  Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.
Mark Mg1865 10:42  Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
Mark Mg1865 10:43  Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
Mark Mg1865 10:44  Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.
Mark Mg1865 10:45  Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Mark Mg1865 10:46  Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.
Mark Mg1865 10:47  Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!
Mark Mg1865 10:48  Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Mark Mg1865 10:49  Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
Mark Mg1865 10:50  Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
Mark Mg1865 10:51  Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
Mark Mg1865 10:52  Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.