Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 16
Deut Mg1865 16:1  Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
Deut Mg1865 16:2  Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
Deut Mg1865 16:3  Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.
Deut Mg1865 16:4  Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan’ ny fanatitra izay novonoinao tamin’ ny harivan’ ny andro voalohany.
Deut Mg1865 16:5  Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
Deut Mg1865 16:6  fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
Deut Mg1865 16:7  Ary atsatsiho amin’ ny afo izy, ka hano eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ ny lainao.
Deut Mg1865 16:8  Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.
Deut Mg1865 16:9  Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
Deut Mg1865 16:10  Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
Deut Mg1865 16:11  ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Deut Mg1865 16:12  Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
Deut Mg1865 16:13  Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao.
Deut Mg1865 16:14  Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
Deut Mg1865 16:15  Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
Deut Mg1865 16:16  Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
Deut Mg1865 16:17  fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
Deut Mg1865 16:18  Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
Deut Mg1865 16:19  Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
Deut Mg1865 16:20  Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Deut Mg1865 16:21  Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
Deut Mg1865 16:22  Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.