II SAMUEL
Chapter 1
II S | Mg1865 | 1:1 | Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. | |
II S | Mg1865 | 1:2 | Ary tamin’ ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ ny miaramilan’ i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’ i Davida izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nitsaoka. | |
II S | Mg1865 | 1:3 | Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho. | |
II S | Mg1865 | 1:4 | Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. | |
II S | Mg1865 | 1:5 | Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. | |
II S | Mg1865 | 1:6 | Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. | |
II S | Mg1865 | 1:9 | Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. | |
II S | Mg1865 | 1:10 | Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ ny tompoko izany. | |
II S | Mg1865 | 1:11 | Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. | |
II S | Mg1865 | 1:12 | Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ ny andro izy noho ny amin’ i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’ i Jehovah ary ny taranak’ Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. | |
II S | Mg1865 | 1:13 | Ary hoy Davida tamin’ ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. | |
II S | Mg1865 | 1:14 | Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’ i Jehovah? | |
II S | Mg1865 | 1:15 | Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. | |
II S | Mg1865 | 1:16 | ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’ i Jehovah. | |
II S | Mg1865 | 1:18 | (ary nasainy nampianarina ny taranak’ i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ ny Bokin’ i Jasara izany): | |
II S | Mg1865 | 1:19 | Ilay voninahitrao, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! | |
II S | Mg1865 | 1:20 | Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’ i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ ny tsy mifora. | |
II S | Mg1865 | 1:21 | Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’ orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana ny ampingan’ ny mahery, Dia ny ampingan’ i Saoly, ka tsy nohosorana diloilo. | |
II S | Mg1865 | 1:22 | Ny tsipìkan’ i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ ny maty sy ny tavin’ ny mahery; ary ny sabatr’ i Saoly tsy mba niverina foana. | |
II S | Mg1865 | 1:23 | Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. | |
II S | Mg1865 | 1:24 | Ry zanakavavin’ Isiraely, mitomania an’ i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. | |
II S | Mg1865 | 1:25 | Endrey! lavo teo amin’ ny ady ny mahery voalefona teo amin’ ny havoananao Jonatana. | |
II S | Mg1865 | 1:26 | Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ny vehivavy. | |