Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 5
II S Mg1865 5:1  Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
II S Mg1865 5:2  Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
II S Mg1865 5:3  Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.
II S Mg1865 5:4  Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
II S Mg1865 5:5  Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
II S Mg1865 5:6  Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
II S Mg1865 5:7  Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
II S Mg1865 5:8  Ary hoy Davida tamin’ izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ ny fon’ i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
II S Mg1865 5:9  Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
II S Mg1865 5:10  Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
II S Mg1865 5:11  Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’ i Davida ireo.
II S Mg1865 5:12  Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
II S Mg1865 5:13  Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’ i Davida.
II S Mg1865 5:14  Ary izao no anaran’ ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
II S Mg1865 5:17  Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.
II S Mg1865 5:18  Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
II S Mg1865 5:19  Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
II S Mg1865 5:20  Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
II S Mg1865 5:21  Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
II S Mg1865 5:22  Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
II S Mg1865 5:23  Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
II S Mg1865 5:24  Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
II S Mg1865 5:25  Ary dia nanao araka ny nandidian’ i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’ i Gazera izy.