NUMBERS
Chapter 12
Numb | Mg1865 | 12:1 | Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. | |
Numb | Mg1865 | 12:2 | Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany. | |
Numb | Mg1865 | 12:3 | Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany. | |
Numb | Mg1865 | 12:4 | Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’ i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. | |
Numb | Mg1865 | 12:5 | Ary andri-rahona no nidinan’ i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ ny trano-lay Izy; dia niantso an’ i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. | |
Numb | Mg1865 | 12:6 | Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy. | |
Numb | Mg1865 | 12:8 | Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko? | |
Numb | Mg1865 | 12:10 | Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy. | |
Numb | Mg1865 | 12:11 | Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. | |
Numb | Mg1865 | 12:12 | Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. | |
Numb | Mg1865 | 12:13 | Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! | |
Numb | Mg1865 | 12:14 | Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. | |
Numb | Mg1865 | 12:15 | Dia natokana tany ivelan’ ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama. | |