NUMBERS
Chapter 21
Numb | Mg1865 | 21:1 | Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely. | |
Numb | Mg1865 | 21:2 | Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany. | |
Numb | Mg1865 | 21:3 | Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma. | |
Numb | Mg1865 | 21:4 | Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana. | |
Numb | Mg1865 | 21:5 | Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. | |
Numb | Mg1865 | 21:6 | Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely. | |
Numb | Mg1865 | 21:7 | Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy. | |
Numb | Mg1865 | 21:8 | Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. | |
Numb | Mg1865 | 21:9 | Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. | |
Numb | Mg1865 | 21:11 | Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro. | |
Numb | Mg1865 | 21:13 | Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita. | |
Numb | Mg1865 | 21:14 | Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona, | |
Numb | Mg1865 | 21:15 | Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba. | |
Numb | Mg1865 | 21:16 | Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy. | |
Numb | Mg1865 | 21:17 | Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy; | |
Numb | Mg1865 | 21:18 | Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana. | |
Numb | Mg1865 | 21:19 | Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota; | |
Numb | Mg1865 | 21:20 | ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra. | |
Numb | Mg1865 | 21:21 | Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe: | |
Numb | Mg1865 | 21:22 | Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao. | |
Numb | Mg1865 | 21:23 | Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy. | |
Numb | Mg1865 | 21:24 | Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona. | |
Numb | Mg1865 | 21:25 | Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. | |
Numb | Mg1865 | 21:26 | Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. | |
Numb | Mg1865 | 21:27 | Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona; | |
Numb | Mg1865 | 21:28 | Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona. | |
Numb | Mg1865 | 21:29 | Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita. | |
Numb | Mg1865 | 21:30 | Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba. | |
Numb | Mg1865 | 21:32 | Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany. | |
Numb | Mg1865 | 21:33 | Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy. | |
Numb | Mg1865 | 21:34 | Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona. | |