Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next
Chapter 7
Numb Mg1865 7:1  Ary tamin’ ny andro izay nahavitan’ i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
Numb Mg1865 7:2  dia nitondra fanatitra ny lohan’ ny firenen’ ny Isiraely, dia ny lohan’ ny fianakaviana (ireo no lohan’ ny firenena, izay nifehy ny voalamina).
Numb Mg1865 7:3  Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’ i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ ny folo, dia sariety iray no avy amin’ ny lohan’ ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ ny tabernakely izy.
Numb Mg1865 7:4  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 7:5  Raiso aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ka omeo ny Levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
Numb Mg1865 7:6  Dia noraisin’ i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita.
Numb Mg1865 7:7  Sariety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fanompoany;
Numb Mg1865 7:8  ary sariety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany, eo amin’ ny fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
Numb Mg1865 7:9  Fa ny taranak’ i Kehata kosa dia tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masìna no azy, ka eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
Numb Mg1865 7:10  Dia ny lohan’ ny firenena no nanatitra ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy; koa dia samy nanatitra ny fanatiny teo anoloan’ ny alitara izy.
Numb Mg1865 7:11  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aoka ny lohan’ ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin’ ny an’ androny avy ho amin’ ny fitokanana ny alitara.
Numb Mg1865 7:12  Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.
Numb Mg1865 7:13  Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:14  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:15  ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:17  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Nasona, zanak’ i Aminadaba.
Numb Mg1865 7:18  Ary tamin’ ny andro faharoa dia Netanela, zanak’ i Zoara, lohan’ ny taranak’ Isakara, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:19  Nanatitra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:20  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:21  ary vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray sy zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:23  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Netanela, zanak’ i Zoara.
Numb Mg1865 7:24  Ary tamin’ ny andro fahatelo dia Eliaba, zanak’ i Helona, lohan’ ny taranak’ i Zebolona, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:25  Ny fanatiny dia lovia volafotsy, iray sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:26  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:27  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:29  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliaba, zanak’ i Helona.
Numb Mg1865 7:30  Ary tamin’ ny andro fahefatra dia Elizora, zanak’ i Sedeora, lohan’ ny taranak’ i Robena, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:31  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:32  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno dinti-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:33  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:35  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray ireo no fanatitr’ i Elizora, zanak’ i Sedeora.
Numb Mg1865 7:36  Ary tamin’ ny andro fahadimy dia Selomiela, zanak’ i Zorisaday, lohan’ ny taranak’ i Simeona, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:37  Ny fanatiny dia Lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:38  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:39  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:41  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Selomiela, zanak’ i Zorisaday,
Numb Mg1865 7:42  Ary tamin’ ny andro fahenina dia Eliasafa, zanak’ i Doela, lohan’ ny taranak’ i Gada, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:43  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:44  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:45  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:47  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Eliasafa, zanak’ i Doela.
Numb Mg1865 7:48  Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:49  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:50  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:51  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:53  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondrilahy dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Elisama, zanak’ i Amihoda.
Numb Mg1865 7:54  Ary tamin’ ny andro fahavalo dia Gamaliela, zanak’ i Pedazora, lohan’ ny taranak’ i Manase, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:55  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:56  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:57  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:59  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Gamaliela, zanak’ i Pedazora.
Numb Mg1865 7:60  Ary tamin’ ny andro fahasivy dia Abidana, zanak’ i Gideony, lohan’ ny taranak’ i Benjamina, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:61  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:62  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:63  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:65  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Abidana, zanak’ i Gideony.
Numb Mg1865 7:66  Ary tamin’ ny andro fahafolo Ahiezera, zanak’ i Amisaday, lohan’ ny taranak’ i Dana, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:67  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, dia sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:68  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:69  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:71  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahiezera, zanak’ i Amisaday.
Numb Mg1865 7:72  Ary tamin’ ny andro fahiraika ambin’ ny folo dia Pagiela, zanak’ i Okrana, lohan’ ny taranak’ i Asera, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:73  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:74  lovia kely volamena iray, sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:75  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numb Mg1865 7:77  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Pagiela, zanak’ i Okrana.
Numb Mg1865 7:78  Ary tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo dia Ahira, zanak’ i Enana, lohan’ ny taranak’ i Naftaly, no nanatitra.
Numb Mg1865 7:79  Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masìna; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina;
Numb Mg1865 7:80  lovia kely volamena iray, dia sekely folo, feno ditin-kazo manitra;
Numb Mg1865 7:81  vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra odorana;
Numb Mg1865 7:83  ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’ i Ahira, zanak’ i Enana.
Numb Mg1865 7:84  Ireo no zavatra naterin’ ny lohan’ ny Isiraely ho amin’ ny fitokanana ny alitara tamin’ ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin’ ny folo, lovia volafotsy roa ambin’ ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin’ ny folo;
Numb Mg1865 7:85  sekely telo-polo amby zato avy no lanjan’ ny lovia volafotsy, ary sekely fito-polo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ ny volafotsy rehetra tamin’ ireo fanaka ireo dia sekely efa-jato amby roa arivo, araka ny sekely masìna;
Numb Mg1865 7:86  lovia kely volamena roa ambin’ ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia sekely masìna; ny lanjan’ ny lovia kely volamena rehetra dia sekely roa-polo amby zato.
Numb Mg1865 7:87  Ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanatitra dorana dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo, ondrilahy roa ambin’ ny folo, zanak’ ondry roa ambin’ ny folo, izay samy iray taona, mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy, ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota.
Numb Mg1865 7:88  Ary ny isan’ ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr’ ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak’ ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
Numb Mg1865 7:89  Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.