NUMBERS
Chapter 30
Numb | Mg1865 | 30:1 | Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy. | |
Numb | Mg1865 | 30:2 | Ary Mosesy niteny tamin’ ireo lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: | |
Numb | Mg1865 | 30:3 | Raha misy lehilahy mivoady amin’ i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony. | |
Numb | Mg1865 | 30:4 | Ary raha misy vehivavy mivoady amin’ i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy, | |
Numb | Mg1865 | 30:5 | ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny. | |
Numb | Mg1865 | 30:6 | Fa raha nandrara azy rainy tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy. | |
Numb | Mg1865 | 30:7 | Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady, | |
Numb | Mg1865 | 30:8 | ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. | |
Numb | Mg1865 | 30:9 | Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony. | |
Numb | Mg1865 | 30:10 | Fa ny amin’ ny voadin’ ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny. | |
Numb | Mg1865 | 30:11 | Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon’ ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady, | |
Numb | Mg1865 | 30:12 | ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny. | |
Numb | Mg1865 | 30:13 | Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony. | |
Numb | Mg1865 | 30:14 | Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy. | |
Numb | Mg1865 | 30:15 | Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ ny an-davan’ andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany. | |
Numb | Mg1865 | 30:16 | Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian’ ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy. | |