NUMBERS
Chapter 13
Numb | Mg1865 | 13:2 | Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ ny Zanak’ Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ ny fireneny avy. | |
Numb | Mg1865 | 13:3 | Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo. | |
Numb | Mg1865 | 13:11 | avy tamin’ ny firenen’ i Josefa, tamin’ ny firenen’ i Manase, dia Gady, zanak’ i Sosy; | |
Numb | Mg1865 | 13:16 | Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa. | |
Numb | Mg1865 | 13:17 | Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ ny tany havoana; | |
Numb | Mg1865 | 13:18 | dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro; | |
Numb | Mg1865 | 13:19 | ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda; | |
Numb | Mg1865 | 13:20 | ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ ny voaloboka mialin-taona. | |
Numb | Mg1865 | 13:21 | Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’ i Hamata. | |
Numb | Mg1865 | 13:22 | Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.) | |
Numb | Mg1865 | 13:23 | Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa. | |
Numb | Mg1865 | 13:24 | Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ ny Zanak’ Isiraely teo. | |
Numb | Mg1865 | 13:26 | Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. | |
Numb | Mg1865 | 13:27 | Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. | |
Numb | Mg1865 | 13:28 | Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay. | |
Numb | Mg1865 | 13:29 | Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana. | |
Numb | Mg1865 | 13:30 | Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika. | |
Numb | Mg1865 | 13:31 | Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. | |
Numb | Mg1865 | 13:32 | Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe; | |