Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 8
Numb Mg1865 8:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 8:2  Mitenena amin’ i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro izy.
Numb Mg1865 8:3  Dia nataon’ i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numb Mg1865 8:4  Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
Numb Mg1865 8:5  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 8:6  Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
Numb Mg1865 8:7  Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
Numb Mg1865 8:8  Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
Numb Mg1865 8:9  Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
Numb Mg1865 8:10  Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;
Numb Mg1865 8:11  ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.
Numb Mg1865 8:12  Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
Numb Mg1865 8:13  Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
Numb Mg1865 8:14  Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
Numb Mg1865 8:15  Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
Numb Mg1865 8:16  fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely mihitsy izy; ho solon’ izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
Numb Mg1865 8:17  Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
Numb Mg1865 8:18  Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Numb Mg1865 8:19  Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
Numb Mg1865 8:20  Dia nataon’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataon’ ny Zanak’ Isiraely taminy.
Numb Mg1865 8:21  Dia nodiovin’ ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
Numb Mg1865 8:22  Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan’ i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataony taminy.
Numb Mg1865 8:23  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 8:24  Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
Numb Mg1865 8:25  fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ ny antokon’ ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
Numb Mg1865 8:26  kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.