Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
Numb Mg1865 3:1  Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
Numb Mg1865 3:2  Ny anaran’ ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
Numb Mg1865 3:3  Ireo no anaran’ ny zanakalahin’ i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
Numb Mg1865 3:4  Fa maty teo anatrehan’ i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah tany an-efitr’ i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’ i Arona rainy.
Numb Mg1865 3:5  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 3:6  Ento ny firenen’ i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’ i Arona mpisorona mba hanompo azy.
Numb Mg1865 3:7  Dia hitandrina ny anjara-raharahan’ i Arona sy ny anjara raharahan’ ny fiangonana rehetra eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Numb Mg1865 3:8  Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ ny tabernakely.
Numb Mg1865 3:9  Ary homenao an’ i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo.
Numb Mg1865 3:10  Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numb Mg1865 3:11  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 3:12  Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely ho solon’ ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: dia Ahy ny Levita,
Numb Mg1865 3:13  satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
Numb Mg1865 3:14  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay ka nanao hoe:
Numb Mg1865 3:15  Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
Numb Mg1865 3:16  Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin’ i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
Numb Mg1865 3:17  Ary izao no zanakalahin’ i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
Numb Mg1865 3:18  Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
Numb Mg1865 3:19  Ary ny zanakalahin’ i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
Numb Mg1865 3:20  Ary ny zanakalahin’ i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon’ ny Levita, araka ny fianakaviany.
Numb Mg1865 3:21  Avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon’ ny Gersonita.
Numb Mg1865 3:22  Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
Numb Mg1865 3:23  Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
Numb Mg1865 3:24  Ary ny lohan’ ny fianakavian’ ny Gersonka dia Efiasafa, zanak’ i Laela.
Numb Mg1865 3:25  Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
Numb Mg1865 3:26  ary ny fefi-lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
Numb Mg1865 3:27  Ary avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Amramita sy ny fokon’ ny Jizarita sy ny fokon’ ny Hebronita ary ny fokon’ ny Ozielita; ireo no fokon’ ny Kehatita.
Numb Mg1865 3:28  Ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia enin-jato amby valo arivo.
Numb Mg1865 3:29  Ny fokon’ ny zanak’ i Kehata dia hitoby eo amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely.
Numb Mg1865 3:30  Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ ny Kehatita dia Elisafana, zanak’ i Oziela.
Numb Mg1865 3:31  Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masìna, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin’ ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Numb Mg1865 3:32  Ary ny lehiben’ ny lohan’ ny Levita dia Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, izay lehiben’ ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin’ ny fitoerana masìna.
Numb Mg1865 3:33  Avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Malita sy ny fokon’ ny Mosita; Ireo no fokon’ i Merary.
Numb Mg1865 3:34  Ary izay nalamina, araka ny isan’ ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
Numb Mg1865 3:35  Ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fokon’ i Merary dia Zoriela, zanak’ i Abihaila; ireo no hitoby eo amin’ ny lafiny avaratra amin’ ny tabernakely.
Numb Mg1865 3:36  Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
Numb Mg1865 3:37  ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
Numb Mg1865 3:38  Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numb Mg1865 3:39  Ny tontalin’ izay nalamina avy tamin’ ny Levita, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah, avy tamin’ ny fokony, ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
Numb Mg1865 3:40  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
Numb Mg1865 3:41  Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny biby fiompin’ ny Zanak’ Isiraely.
Numb Mg1865 3:42  Dia nalamin’ i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
Numb Mg1865 3:43  Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin’ ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
Numb Mg1865 3:44  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 3:45  Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
Numb Mg1865 3:46  Ary ny amin’ ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
Numb Mg1865 3:47  dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
Numb Mg1865 3:48  Dia homenao an’ i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr’ ireo mihoatra isa ireo.
Numb Mg1865 3:49  Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
Numb Mg1865 3:50  tamin’ ny lahimatoan’ ny Zanak’ Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masìna;
Numb Mg1865 3:51  dia nomen’ i Mosesy an’ i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’ i Jehovah, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.