Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
NUMBERS
Prev Up Next
Chapter 31
Numb Mg1865 31:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 31:2  Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ ny Zanak’ Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ ny razanao ianao.
Numb Mg1865 31:3  Dia niteny tamin’ ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’ i Jehovah azy.
Numb Mg1865 31:4  Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ ny firenen’ Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
Numb Mg1865 31:5  Dia navahana tamin’ ny firenen’ Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
Numb Mg1865 31:6  Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
Numb Mg1865 31:7  Dia niady tamin’ ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
Numb Mg1865 31:8  ary ny mpanjakan’ i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’ i Beora, koa dia novonoiny tamin’ ny sabatra.
Numb Mg1865 31:9  Ary ny Zanak’ Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
Numb Mg1865 31:10  Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ ny afo.
Numb Mg1865 31:11  Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
Numb Mg1865 31:12  dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
Numb Mg1865 31:13  Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ ny toby.
Numb Mg1865 31:14  Ary tezitra tamin’ ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
Numb Mg1865 31:15  ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
Numb Mg1865 31:16  Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.
Numb Mg1865 31:17  Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
Numb Mg1865 31:18  Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
Numb Mg1865 31:19  Ary mitobia eo ivelan’ ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
Numb Mg1865 31:20  Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’ osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
Numb Mg1865 31:21  Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ ny mpanafika, izay efa tany amin’ ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’ i Jehovah’ an i Mosesy:
Numb Mg1865 31:22  Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
Numb Mg1865 31:23  dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.
Numb Mg1865 31:24  Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.
Numb Mg1865 31:25  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Numb Mg1865 31:26  Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fiangonana ny isan’ ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
Numb Mg1865 31:27  ary sasaho ny babo ho an’ izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ ny fiangonana rehetra;
Numb Mg1865 31:28  kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;
Numb Mg1865 31:29  ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.
Numb Mg1865 31:30  Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.
Numb Mg1865 31:31  Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numb Mg1865 31:32  Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
Numb Mg1865 31:35  ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
Numb Mg1865 31:36  Ary ny antsasany izay anjaran’ ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ ny ondry aman’ osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
Numb Mg1865 31:37  ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
Numb Mg1865 31:38  Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby fito-polo.
Numb Mg1865 31:39  Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia iraika amby enim-polo.
Numb Mg1865 31:40  Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby telo-polo.
Numb Mg1865 31:41  Dia nomen’ i Mosesy an’ i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numb Mg1865 31:42  Ary avy tamin’ ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely, izay nozarain’ i Mosesy avy tamin’ ny mpanafika
Numb Mg1865 31:43  (fa ny antsasany an’ ny fiangonana dia ondry aman’ osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
Numb Mg1865 31:47  ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numb Mg1865 31:48  Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’ i Mosesy
Numb Mg1865 31:49  ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
Numb Mg1865 31:50  koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
Numb Mg1865 31:51  Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
Numb Mg1865 31:52  Ary ny volamena rehetra tamin’ ny fanatitra nalain’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’ i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
Numb Mg1865 31:53  (fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).
Numb Mg1865 31:54  Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.