Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
REVELATION OF JOHN
Prev Up Next
Chapter 2
Reve Mg1865 2:1  Soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Efesosy. Izao no lazain’ ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ ny fanaovan-jiro volamena fito:
Reve Mg1865 2:2  Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
Reve Mg1865 2:3  ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
Reve Mg1865 2:4  Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ ny fitiavanao voalohany ianao.
Reve Mg1865 2:5  Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
Reve Mg1865 2:6  Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan’ ny Nikolaïta, izay halako koa.
Reve Mg1865 2:7  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra.
Reve Mg1865 2:8  Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain’ ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
Reve Mg1865 2:9  Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon’ izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’ i Satana.
Reve Mg1865 2:10  Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
Reve Mg1865 2:11  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia tsy hosimban’ ny fahafatesana faharoa.
Reve Mg1865 2:12  Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain’ ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
Reve Mg1865 2:13  Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ ny itoeran’ ny seza fiandrianan’ i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ ny andron’ i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ izay onenan’ i Satana.
Reve Mg1865 2:14  Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga.
Reve Mg1865 2:15  Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ ny Nikolaïta tahaka ny an’ ireny.
Reve Mg1865 2:16  Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako.
Reve Mg1865 2:17  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’ olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
Reve Mg1865 2:18  Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
Reve Mg1865 2:19  Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
Reve Mg1865 2:20  Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.
Reve Mg1865 2:21  Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy.
Reve Mg1865 2:22  Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy.
Reve Mg1865 2:23  Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
Reve Mg1865 2:24  Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe “sain-dalin’ i Satana”, dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
Reve Mg1865 2:25  kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
Reve Mg1865 2:26  Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa;
Reve Mg1865 2:27  ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko.
Reve Mg1865 2:29  Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.