Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EZEKIEL
Prev Up Next
Chapter 1
Ezek Mg1865 1:1  Ary tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahatelo-polo, raha teo amin’ ny babo teo amoron’ ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin’ Andriamanitra aho.
Ezek Mg1865 1:2  Tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana (taona fahadimy taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina mpanjaka izany)
Ezek Mg1865 1:3  dia tonga tamin’ i Ezekiela mpisorona, zanak’ i Bozy, ny tenin’ i Jehovah tany amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, teo amoron’ ny ony Kebara; ary ny tànan’ i Jehovah dia taminy teo.
Ezek Mg1865 1:4  Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin’ ny afo dia nisy toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Ezek Mg1865 1:5  Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan’ aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik’ olona.
Ezek Mg1865 1:6  Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
Ezek Mg1865 1:7  Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
Ezek Mg1865 1:8  Ary nisy tanan’ olona teo ambanin’ ny elany teo amin’ ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
Ezek Mg1865 1:9  Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy rehetra.
Ezek Mg1865 1:10  Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ olona; ary tamin’ ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ ny liona izy efatra, ary tamin’ ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ omby, ary samy nanana ny tarehin’ ny voromahery koa izy efatra.
Ezek Mg1865 1:11  Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin’ ny an’ ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.
Ezek Mg1865 1:12  Dia samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.
Ezek Mg1865 1:13  Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan’ aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ ny zava-manan’ aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.
Ezek Mg1865 1:14  Ary ny zava-manan’ aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.
Ezek Mg1865 1:15  Ary hitako ny zava-manan’ aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin’ ny tany, teo anilan’ ny zava-manan’ aina teo anoloan’ ny tarehiny efatra.
Ezek Mg1865 1:16  Ny tarehin’ ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon’ ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin’ ny kodia.
Ezek Mg1865 1:17  Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ izay hitsin’ ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.
Ezek Mg1865 1:18  Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
Ezek Mg1865 1:19  Ary raha nandeha ny zava-manan’ aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireo zava-manan’ aina, dia mba niainga koa ny kodia.
Ezek Mg1865 1:20  Na aiza na aiza no tian’ ny fanahy ho naleha dia nalehan’ ireo koa; fa any koa no mba tian’ ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin’ ny kodia ny fanahin’ ny zava-manan’ aina.
Ezek Mg1865 1:21  Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin’ ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina dia tao amin’ ny kodia.
Ezek Mg1865 1:22  Ary teo ambonin’ ny lohan’ ny zava-manan’ aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ ny lohany.
Ezek Mg1865 1:23  Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin’ ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.
Ezek Mg1865 1:24  Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ ny rano be, dia tahaka ny feon’ ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ ny miaramila mitoby;
Ezek Mg1865 1:25  Ary nisy feo avy teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.
Ezek Mg1865 1:26  Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.
Ezek Mg1865 1:27  Ary nahita toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin’ ny afo manodidina azy; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra ka hatramin’ ny valahany no ho midìna dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.
Ezek Mg1865 1:28  Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro nisy ranon’ orana no tarehin’ ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon’ ny anankiray niteny.