GALATIANS
Chapter 5
Gala | Mg1865 | 5:1 | Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony. | |
Gala | Mg1865 | 5:2 | Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. | |
Gala | Mg1865 | 5:3 | Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. | |
Gala | Mg1865 | 5:4 | Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo. | |
Gala | Mg1865 | 5:5 | Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana. | |
Gala | Mg1865 | 5:6 | Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana. | |
Gala | Mg1865 | 5:10 | Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. | |
Gala | Mg1865 | 5:11 | Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. | |
Gala | Mg1865 | 5:13 | Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana. | |
Gala | Mg1865 | 5:14 | Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. | |
Gala | Mg1865 | 5:16 | Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo. | |
Gala | Mg1865 | 5:17 | Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. | |
Gala | Mg1865 | 5:19 | Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, | |
Gala | Mg1865 | 5:20 | fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, | |
Gala | Mg1865 | 5:21 | fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Gala | Mg1865 | 5:22 | Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, | |
Gala | Mg1865 | 5:24 | Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana. | |