ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 2
Isai | Mg1865 | 2:2 | Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. | |
Isai | Mg1865 | 2:3 | Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah. | |
Isai | Mg1865 | 2:4 | Ary hitsara ny adin’ ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony | |
Isai | Mg1865 | 2:6 | Fa efa nanary ny taranak’ i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny. | |
Isai | Mg1865 | 2:7 | Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny; | |
Isai | Mg1865 | 2:8 | Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ ny asan’ ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ ny rantsan-tanany; | |
Isai | Mg1865 | 2:9 | Koa ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao! | |
Isai | Mg1865 | 2:10 | Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany. | |
Isai | Mg1865 | 2:11 | Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany. | |
Isai | Mg1865 | 2:12 | Fa misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny, | |
Isai | Mg1865 | 2:13 | Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana | |
Isai | Mg1865 | 2:17 | Ary ny fireharehan’ ny zanak’ olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany. | |
Isai | Mg1865 | 2:19 | Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. | |
Isai | Mg1865 | 2:20 | Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany | |
Isai | Mg1865 | 2:21 | Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. | |