Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ISAIAH
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 26
Isai Mg1865 26:1  Amin’ izany andro izany dia hohiraina eto amin’ ny tanin’ ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’ i Jehovah ho manda sy fiarovana.
Isai Mg1865 26:2  Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
Isai Mg1865 26:3  Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Isai Mg1865 26:4  Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
Isai Mg1865 26:5  Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ ny tany ka: azerany ho amin’ ny vovoka.
Isai Mg1865 26:6  Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
Isai Mg1865 26:7  Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
Isai Mg1865 26:8  Koa amin’ ny lalan’ ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ ny fanahinay.
Isai Mg1865 26:9  Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Isai Mg1865 26:10  Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ ny tanin’ ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’ i Jehovah.
Isai Mg1865 26:11  Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Isai Mg1865 26:12  Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Isai Mg1865 26:13  Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
Isai Mg1865 26:14  Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Isai Mg1865 26:15  Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
Isai Mg1865 26:16  Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
Isai Mg1865 26:17  Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
Isai Mg1865 26:18  Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Isai Mg1865 26:19  Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Isai Mg1865 26:20  Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.
Isai Mg1865 26:21  Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.